Kaominina Maroalomainty, Distrikan’ny Ambovombe Androy, Faritra Androy.
MPANJONO SY VADINA MPANJONO MAHERIN’NY 500 NO NAHAZO FAMPITAOVANA
Ho fampiroboroboana ny sehampihariana Jono dia tonga nanolotra fitaovana toy ny « fumoir » miisa 11 na vata fanodinana trondro lena ho lasa trondro saly sy « tracteur frigorifique » iray Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE PAUBERT notronin’ny Minisitry ny Rano ny fidiovana sy ny fanadiovana A/toa ANDRIANAMELASOA Lalaina androany 12 Janoary 2025. Mpanjono sy vadina mpanjono maherin’ny 500 no misitraka ireto fampitaovana ireo.
Tanjon’ny Minisitera ny hampihena ny fahasahiranana eo amin’ny fitanterana ireo hazan-dranomasina avy amin’ny tananan’ny mpanjono saro-dalana mandeha mankany amin’ireo tananan’ireo mpanjifa. Eo ihany koa ny fanodidinana sy fitehirizana ireo trondro tsy lany ho azo amidy amin’ny fotoana manaraka.
Ankoatra izay dia nanolotra ihany koa Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga rano fisotro madio 5m3 ho an’ny mpanjono ho fanampiana azy ireo amin’izao fotoan’ny haintany izao.
Isaorana ireo mpiaramiombonantoka maro izay niara-nisalahy amin’izao fifanomezan-tanaizao, anisan’izany ny tetikasa miojno.