Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ambodifotatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
Nivaha tamin’ny alalan’ny raharaham-pihavanana ny olan’ny fambolena lomotra

Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny hery velona rehetra izay notarihin’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert Mahatante momba ny olan’ny fambolena lomotra dia hita fa tsy olana ara-teknika velively ny olana nisy nandritry ny volana maromaro fa olana arak’olona.
 Manoloana an’izany dia niroso amin’ny fampihavana ireo ahitana olana rehetra ny Minisitra Tomponandraikitra ary nahitam-bokany izany. Nanaiky ny fandaminana napetraka ireo hery velona rehetra izay natrehin’ireo Manam-pahefana isan-tsokajiny rehetra aty an-toerana. Voafetra ho isaky ny 15 andro ny fandoavana ny volan’ny mpamboly lomotra. Ho raisin’ny Orinasa NBS sy SOVALGUE avokoa ireo vokatra tsy lanin’ny Orinasa Madalague. Samy hanitatra ireo toerana hanamainana lomotra ireo Orinasa telo ka tsy misy ahiana ny fandraisana lomotra eto Nosy Boraha.
 Niafara tamin’ny lanonana ara-pomba Malagasy tamin’ny alalan’ny famonoana omby sy ny sakafo mitam-pihavanana ny famahana ny olana nisy teo amin’ny Mpamboly lomotra sy ny Tompon’Orinasa iray eto Sainte Marie. Nisaotra ny rehetra ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga ary nanamafy hatrany ny fahavononany sy ny departemanta tarihiny hanohana ity fihariana lomotra ity mba hisorohana ny tsy fananan’asa eto Madagasikara.