Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ambodifotatra, Distrika Sainte Marie, Faritra Analanjirofo
Famahana ny olana momba ny fambolena lomotra

Efa amam-bolana maromaro no naharaisana fitarainana ny mahakasika ny fambolena lomotra aty Sainte Marie na Nosy Boraha. Tsiahivina fa Orinasa telo ankehitriny no mamboly sy manondrana lomotra aty an-toerana : Madalgue, SOVALGUE ary NBS na ny Nosy Boraha Seaweed. Mamorona asa mivantana manodidina ny arivo eo ho eo ireo Orinasa ireo ary tanora amam-behivavy avokoa ny ankamaroany.
 Marihina ihany koa fa vokatra manodidina ny 200 taonina lena (algues fraîches) isam-bolana no raisin’ireo Orinasa telo ireo. 3.000 taonina maina (30.000 taonina lena) isan-taona no vokatra aondran’i Madagasikara isan-taona. Tanjona ny hanondranana hatramin’ny 25.000 taonina maina mialohan’ny taona 2030 ka izany no mahatonga ny Minisitera mametraka ireo paikady rehetra. Navoaka ny « arrêté » na Didim-pitondrana laharana 841/2024 mifehy ny fambolena lomotra eto Madagasikara.
 Namory ireo mpamboly lomotra, Tompon’Orinasa ary Raiamandreny ahitana olom-boafidy sy Olom-boatendry eto Nosy Boraha ny Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert hitadiavam-bahaolana maharitra momba ny fambolena lomotra izay mampidi-bola hatramin’ny 02 tapitrisa ariary isam-bolana isaky ny fianakaviana izay manao azy.