Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Sainte Marie , Faritra Analanjirofo
Fitsidihana hiarahana amin’A/toa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga

Ankoatran’ny resaka Jono Dia seha-pihariana anisan’ny mampalaza an’i Sainte Marie ihany koa ny fambolena Lomotra izay tena Anisan’ny asa fiharian’ny ankamaroan’ny Mponina ao an-toerana.
Mandritra ity fitsidihana izay iarahana amin’A/toa MAHATANTE Paubert ity Dia hifampitafa Sy hampiravona ny olana misy eo amin’ny Orinasa mampiasa izany ny tenany miaraka amin’ireo mpamboly Lomotra mba hisian’ny marimaritra iraisana eo amin’ny roa Tonta hafahana mampiroborobo ity sehatra iray ity ao an-toerana.
Ankoatr’izay Dia Hisy ny fitsidihana ny Toerana fambolena ireo Lomotra , ny fihaonana mivantana amin’ireo mpiompy trondro Ary ny fanarahamaso ireo asa fampandrosoana izay sahanin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga any amin’ny Faritra iny.