Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Novotel Ankorondrano , Antananarivo , Faritra Analamanga
Atrikasa fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny Tetikasa BIODEV2030 andiany faharoa

Notanterahina ny 4 Jolay 2024 ny fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny Tetikasa BIODEV2030 andiany faharoa vatsian’ny AFD vola izay mifantoka manokana amin’ny fampifandraisana ny fikajiana ny zavaboahary  sy ny fampandrosoina lovain-jafy  sy maharitra.
Tetikasa Dia miara miasa amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena manga , ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy Ary WWF kosa no Manatanteraka izany.
Hifantoka bebe kokoa anatin’ny fampidirana ny fikajiana ny zavaboary ao anatin’ny fomba fanantaterahana sy fiasana eo amin’ny sehatry ny Jono makamba. Ny makamba izay anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ka atao vaidohan-draharaha ny Fijerena azy tsy ho lany tamingana.