Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Antananarivo ,Faritra Analamanga
FFAMPIOFANANA FIOMPIANA TRONDRO 4 Jolay 2024

Ny eto anivon’ny Ministeran’ny ny Jono Sy ny Toekarena Manga Dia manohy ireo ezaka rehetra amin’ny fanampariahana ny fampiofanana fiompiana trondro ho an’ny olon-drehetra tsy an-kanavaka ho fampiroboroboana ny asa manga amin’ny alalan’ny fihariana anaty rano.
Omena ireo mpiofana avokoa ireo fomba fiompiana trondro rehetra toy ny Fiompiana trondro an-tanimbary ,an-dobo ary anaty fefy mitsingevana.
Ho an’ny Anio Dia Teto Ampandrianomby no nanataterahana izany izay Narahina fanentanana avy amin’A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert mahakasika ny zava-dehibe ny asa fihariana fiompiana trondro , ireo fitaovana tsy tokony hampiasaina amin’ny resaka fanjonoana sns…
Isaorana hatrany ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fanatanterahana ity Hetsika fampiofanana fiompiana trondro ity.