Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Andrainarivo- Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa fankatoavana ny fanavaozana indray ireo drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna

Efa maro ireo ezaka nentin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ho fanamafisana ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna. Ankohatran’ny fampitomboana ireo sambo hanara-maso ny sisin-dranomasin’i Madagasikara dia zava-dehibe ihany koa ny fanavaozana indray ireo drafitr’asa Nasionaly mahakasika izany ady izany.
Arak’izany dia tanterahina ny 02 Jolay 2024 eny amin’ny Hôtel Panorama andrainarivo- Antananarivo ny atrikasa fankatoavana ny fanavaozana indray ireo drafitrasa Nasionaly amin’ny ady amin’ny Jono tsy ara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna. Atrikasa irahana amin’ireo mpanamahay avy amin’ny BCPA miaraka amin’ny taha-tsoroky ny WWF.
 Tonga nanokatra izany atrikasa izany ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano eo anivon’ny Ministera Atoa Razafimandimby Joseph Jean Chrisostophe. Marihina moa fa efa nisy ny atrikasa fakan-kevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny Jono sy ireo teknisianin’ny Ministera ary ny mpiara-miombon’atoka talohan’izao atrikasa izao.