Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasam-pirenena momban’ny Jono madinika an-dranomasina sy an-dranomamy sy ireo torolalana mahakasika ny fampiasam-bola amin’ny fihariana anaty rano.

 

Lanonana roa sosona no notanterahana teto amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Ampandrinomby, anio 24 Jona 2024, ankoatran’ny fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasam-pirenena momban’ny Jono madinika dia notanterahana androany ihany koa ny fampisehoana ireo boky mahakasika ny torolalana ny fampiasam-bola amin’ny fihariana anaty rano.

Hatreto dia tahirin-kevitra miisa 12 no navoakan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ho fampiroboroboana izany eto Madagasikara tafiditra anatin’izany ny Jono madinika sy ny fihariana anaty rano. Arak’izany dia afaka mirehareha isika satria isika eto Madagasikara no manana izany « document stratégique » maro indrindra, izay lasa modely aty Afrika. Mpiara-miombona antoka maro no nanohana an’i Madagasikara nahatongavana amin’izao, anisan’izany ny FAO.

Nitarika izany Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert notronin’ny avy ao amin’ny FAO sy ireo Mpiara-miombona antoka amin’ny Ministera. Marihana fa efa azo jerena ao anatin’ny tranokalan’ny ministera amin’ny teny gasy sy frantsay ireo tahirin-kevitra sy torolalana ireo.