Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaominina Ambonivohitra Antsiranana I, Faritra DIANA
Fihaonana amin’ireo mpiompy sy ireo izay te-hisehatra amin’ny fiompiana trondro

 

Mbola malalaka ny tsena anatiny ho an’ny fiompiana trondro an-dranomamy ao Antsiranana. Ho fanatsarana ny fiompian’ireo mpiompy trondro ao an-toerana sy hidirany amin’ny sehatry ny matihanina kokoa ary ho famporisihina an’ireo izay te-hisehatra amin’izany seha-pihariana izany dia nisy ny famelambelaran-kevitra nataon’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’izy ireo androany 22 Jona 2024.

Tonga maro tokoa izy ireo namaly ny antso tamin’izany, ahitana mpivarotra, mpiompy trondro, mpanjono, mpianatra ary olona tsotra. Namafisin’Atoa Minisitra nandritra ity famelambelaran-kevitra ity moa fa tanjon’ny Ministera ny hanao ny fiompiana trondro toy ny fiompiana akoho amam-borona ka samy hanao izany avokoa ny isan-tokatrano. Tsy adinony ihany koa no nanome ireo toro-hevitra teknika isan-karazany manodidina izay fiompiana trondro izay.

Hita sy tsapa fa resy lahatra ny rehetra taorian’izany famelambelaran-kevitra izany ary naneho fahavonona izy ireo fa hisehatra amin’ny fiompiana trondro izay hamorona asa ho azy ireo. Tapaka ary fa hatsangana amin’ny herinandro ho avy izao ny fikambanan’ny mpiompy trondro ao an-toerana.*