Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

New York, USA
Fivoriana iraisam-pirenena faha-24, niompana manokana amin’ny fandinihana ny fampiasana ny Ranomasina sy ny Toekarena Manga

 

Solontenan’i Madagasikara nanatrika ny fivoriana iraisam-pirenena faha-24, niompana manokana amin’ny fandinihana ny fampiasana ny Ranomasina sy ny Toekarena Manga mba ho fanoitra manampy amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eran-tany, notanterahana ny 18 Jona hatramin’ny 21 Jona 2024, tao amin’ny Ivon-toeran’ny Firenena Mikambana tao New York, ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, Rado RAKOTOSOA.

Nanazava ny zava-misy eto Madagasikara, ny politika sy ny paikady ary ny asa miandry hilàna fanohanana amin’ireo mpanohana iraisam-pirenena mba hahafahana mitrandraka maharitra ny ranomasina sy manetsika ny Toekarena Manga ho fanatsarana ny fampanjarian-tsakafo eto Madagasikara ny tenany nandritra ny fandraisam-pitenenana amin’ny maha-isany « Paneliste » azy.

Anisan’ny notsindriana manokana tamin’izany ny mikasika ireo mponina any amin’ny Faritra Atsimon’i Madagasikara noho izy ireo mbola ao anatin’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny hanoanana tanteraka mba ho afaka hitrandraka ny ranomasina hanatsara ny fivelomany ankapobeany.