Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

SECREN Antsiranana, Faritra DIANA
Fanolorana fitaovana avy amin’ny Orinasa mpanjono lehibe ALBACORA

 

Nitohy tamin’ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana avy amin’ny Orinasa mpanjono lehibe ALBACORA, orinasa mpamatsy trondro lamatra (thon) ny orinasa PFOI, mba ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta, Governementa Espagnol sy Madagasikara, ny dian’Atoa MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, Minisitriny ny Jono sy ny Toekarena Manga, tao Antsiranana.

Fitaovana nahitana : Radar (01), SIMRAD (01), VHF Sailor (01), Furuno (02), YAESU (01), AOR (01), Fishing gear for tuna (200) ary Fish hook (250) no natolotr’Atoa Imanol LOINAZ EGUIGUREN, Tale Jeneralin’ny Orinasa ALBACORA.
Tombanana ho 350 Tapitrisa Ariary ny tombam-bidin’ireto fitaovana azo ireto ka ny mpanjono no mpahazo tombotsoa mivantana amin’izany.

Marihana fa mitentina 7 Tapitrisa Euros ny tetikasa hoentin’ireo « Armateur espagnol » aty Madagasikara amin’ny alalan’ny sehatry ny Jono.

Nisy ny fanentanana nataon’Atoa Ministra nandritra ny fotoana ny amin’ny maharatsy ny fanaovana jono miafina (pêche clandestin) sy ny fampiasana fitaovana tsy manara-dalàna izay manimba ny tontolo iainana. Nangataka fanomezan-tanana ihany koa izy ary nanentana ny rehetra mba ho sarotiny amin’ny fiarovana ny harena an-dranomasina.
Farany, nanaraotra niresaka ny fametrahana ny ZEP Antanimiavotra, Kaominina Ambanivohitra Mantaly, Distrikan’Ambilobe, ihany koa ny tenany, izay tombanana hamokatra zanatrondro 5 Tapitrisa isan-taona.

Notanterahana tao amin’ny SECREN, Antsiranana, ny lanonana anio 21 Jona 2024, natrehan’ny solotenan’ny Fanjakana foibe tamin’ny alalan’Atoa Minisitriny ny Jono sy ny Toekarena Manga, Rtoa VPAN, ny solotenan’ny mpikambana eo anivon’ny Parlementa, ny solotenan’ny Faritra Diana, ny Prefektioran’Antsiranana, ny solotenan’ny Ben’ny Tanànan’Antsiranana, ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Albacora izay sady nisolotena ny Governementa Espagnol, ny APMF, ny Oximad, ny IST, ny SECREN, ireo manamboninahitra maro isan-karazany ary ireo mpanjono.