Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Panorama Andrainarivo, Antananarivo, Faritra Analamanga
Atrikasa fanofanana hoan’ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena (OSC) sy ny vondrom-piaraha-monina mpanjono madinika

 

Atrikasa fanofanana hoan’ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena (OSC) sy ny vondrom-piaraha-monina mpanjono madinika mahakasika ny fifanaraham-panjonoana miaraka amin’ny vondrona Eropeanina sy ny Firenena hafa ary ny fiantraikan’izany eo amin’ny jono eto Madagasikara.

Notanterahana ny 19 Jona 2024 tao amin’ny Panorama Andrainarivo ny Atrikasa niarahana tamin’ny OCS sy ireo fikambanan’ny mpanjono madinika niaraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka isan-tsokajiny nandinihana ny mahakasika ny fifanaraham-panjonoana izay natrehin’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Paubert.

Tanjona ny hanofanana sy hanomezana ireo OCS, fiarahamonim-pirenena sy fikambanan’ny mpanjono madinika, ny :
-Fampahafantarana misimisy kokoa mahakasika ny fitsipiky ny fifanarahana mahakasika ny jono sy ny fiaraha-miasa maharitra (APPD) sy ny fizotran’ny fifampiraharahana.
-Fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo ahafahana mandalina sy mamakafaka ary mahafantatra kokoa ny anjara andraikiny eo amin’ny fifampiraharahana amin’ny fifanarahana amin’ny resaka Jono.
-Fampahafantarana ireo dingana sy fomba fiasa amin’ny fampivelarana sy ny « mise en oeuvre de l’appui sectoriel »
-Fahafantarana ireo rafitra ara-dalàna sy ny fitsipika mifehy ny fanomezana fahazoan-dàlana manjono eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta, fifanarahana tsy miankina, sns…