Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fihaonana tamin-dRtoa Lena Weslund avy eo anivon’ny FAO

 

Iray amin’ireo mpiara-miombona antoka manampy betsaka ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny fampiroboroboana ny Jono madinika sy ny Toekarena Manga eto Madagasikara ny FAO. Maro ireo ezaka efa nentiny nanampiana ny Ministera, tsy eo amin’ny Jono madinika ihany fa eo ihany koa ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanam-bara ary tsy voafehin-dalàna, ny fanomezana fiofanana an’ireo tanora sy vehivavy maro ho fanatsarana ny fiainan’izy ireny.

Nanampy ny Ministera ihany koa ny FAO tamin’ny fanamboarana ireo antontan-taratasy mirakitra ireo paikady hafahana manatsara hatrany ny Jono madinika sy ny fihariana anatirano izay hivoaka tsy ho ela ihany koa ny boky « Guide de l’investissement » ho an’ny fiompiana anatirano. Manarak’izany dia hanao ny fanaingana ny paikady mahakasika ny Jono madinika isika eto Madagasikara, atao ny 24 Jona 2024 hoavy izao, tombony lehibe hoantsika izany satria dia Firenena 03 eo ho eo ny manana izany aty Afrika, izay mahatonga antsika mirehareha ho anisan’ny lohalaharana aty Afrika nohon’ny fanampiana ataon’ireo mpiara-miombona atoka, sangany amin’izany ny FAO.

Ho fanamafisana hatrany izay fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera sy ny FAO izay dia noraisin’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tao amin’ny birao fiasany teny Ampandrianomby, Antananarivo, androany Rtoa Lena Weslund avy amin’ny FAO.