Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fitsidihan’Atoa David Ashley, Masoivohon’i Royaume-Uni, niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny DEFRA Londres

 

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasantsika miaraka amin’ny Firenena Royaume-Uni, tonga nitsidika an’Atoa Minisitriny ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny toeram-piasany tao Ampandrianomby, Antananarivo, androany 17 Jona 2024, ny Masoivohon’i Royaume-Uni, Atoa David Ashley, niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny DEFRA (Department for Environment, Food & Rural Affairs) avy any Londres ahitana siantifika maromaro.

Tonga eto Madagasikara izy ireo nanontany sy namantatra ireo fanamby hatrehantsika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao mahakasika ny Toekarena Manga, indrindra fa ny fanjonoana.
Noho izany indrindra dia zavatra efatra no nifampiresahana :
🔸Afaka manampy antsika izy ireo amin’ny fanangonam-baovao eo amin’ny lafiny fanombanana ny tahiry ananantsika (évaluation des stocks) ka mila manana antontanisa (donné) isika mahakasika izany.
🔸Afaka manampy antsika ihany koa izy ireo amin’ny hafahantsika manatsara hatrany ireo rohy voahary (écosystèmes) toy ny ala honko, ny ahitra anaty ranomasina ary ny vatohara (récif corallien) satria ireo no toerana ipetrahan’ny harena anaty ranomasin.
🔸Voaresaka ihany koa ny fanatsarana ny fiainan’ireo Mpanjono amin’ny alalan’ny ny fanatsarana ny fitaovan’izy ireo sy ny fahalalana ananan’izy ireo amin’izao vanim-potoana fiovan’ny toetrandro izao.
🔸Ny farany dia ny fanampiana ireo ONG rehetra miasa eto Madagasikara mahakasika ny jono sy ny tontolo an-dranomasina, anisan’izany ny Blue Ventures, Reef Doctor, sy ny sisa maro hafa mba hafahany manatsara hatrany ny fomba fanakaikezana (approche) ampiasany mba hafahana mahazo valiny (résultats) tsaratsara kokoa raha ampitahana amin’ny teo aloha.