Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Libanona, Distrikan’i Tolagnaro I, Faritra Anôsy
Fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny MPEB sy ny IESA Tolagnaro.

Notontosaina ny faha 10 Jona 2024 ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) sy ny avy ao amin’ny Institut d’Enseignement Supérieur (IESA) Anôsy izay nisoloan’ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toeakarena Manga (DRPEB) Anôsy tena dia Atoa ANDRIAMANANTSOA sy Dr ANDRIANARIVELO Norbert izay Talen’ny IESA.
Tanjona amin’izao fifanaovan-tsonia izao moa:
Ny hametrahana lasitra fifanaraham-piaraha miasa sy ny fandrindrana ary ny fanatanterahana ny asa iraisana eo amin’ny sehatry ny Jono sy ny fihariana anaty rano, ny karazan-javamananaina ary ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fikarohana ara-siantifika.
Ny hanatsarana ihany koa ny haitondra eo amin’ny fitantanana ny tontolon’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga, ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Teknisianina isan-tokony ary ny fanamorana sy fanampiana ireo mpianatra manao ny asa fikarohana mifandraika amin’izany.
   Haharitra 5 taona eo moa ity fifanaraham-piaraha-miasa ity ary azo havaozina izany. Marihina fa ity no fifanarahana faha 32 nataon’ny MPEB hatramin’ny niverenany ho Minisitera.