Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

San Jose, Costa Rica
Famelabelaran-kevitra momba ny Faritra arovana an-dranomasina mba hisian’ny Toekarena Manga maharitra

    Ny OFB na « French Biodiversity Agency » sy ny IUCN na ny Fikambanana Iraisam-pirenena miaro ny zava-boahary na ny Natiora dia mikarakara hetsika manokana momban’ny fametrahana Faritra arovana an-dranomasina. Ao amin’ny Faritra Mediteraneanina no tena ananan’izy ireo traikefa.
    Nasaina manokana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Paubert Mahatante, nizara ny traikefa misy aty Madagasikara izay Nosy lehibe faha-efatra maneran-tany ary Firenena manana sisin-dranomasina lava indrindra aty Afrika (5.603km). Nambaran’Atoa Minisitra fa manana Faritra arovana an-dranomasina 23 isika ankehitriny ary tanjona ny hahatratrarana 1 tapitrisa ha ny faran’ny Taona 2025. Manana LMMA na « Locally Managed Marine Areas » 280 isika aty Madagasikara izay mandrakotra 17.000km2 manamorona ny sisin-dranomasina.
Ho fanatratrarana ny tanjona 30×30 na ny fametrahana 30% Faritra arovana maneran-tany hatramin’ny taona 2030 kosa dia isan’ny Fikambanana iarahana miasa ankehitriny ny « Blue Nature Alliance » sy ny IUCN isika hanatratrarana izany. 2,4 tapitrisa ha no tokony hapetraka mialohan’ny taona 2030. Marihana ihany koa fa hampiantrano ny « LMMA Forum » aty amin’ny Faritra Andrefan’ny Ranomasimbe Indianina (WIO Region) isika mialohan’ny faran’ny taona 2024 ity any Mahajanga izay hiarahana amin’ny Mozambique, Tanzanie, Kenya, sns…