Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Convention Center, San José, Costa Rica
Famelabelaran-kevitra momba ny Jono maneran-tany

    Anisan’ny olana atrehin’izao tontolo izao ny fihenan’ny vokatry ny Jono maneran-tany. Izany indrindra no nahatonga ny FAO nametraka ilay torolalana manokana momba ny jono madinika fantatra amin’ny anarana hoe « Small scale fisheries Voluntary guidelines » na SSF VG, mba hijerena manokana ireo zon’ny Mpanjono madinika maneran-tany.
   Anisan’ny Firenena modely any Afrika i Madagasikara amin’ny fampiharana izany SSF VG izany. Ohatra amin’izany ny fametrahana ilay Faritra manokana ho an’ny jono madinika izay « 02 miles » miala ny moron-dranomasina, ny fametrahana ilay drafitra nasionaly momba ny jono madinika, ny fizarana ireo fitaovana maro samihafa toy ny salotra Vonjy aina, ny fametrahana ireo foto-drafitrasa momba ny jono manerana ny Faritra…
Tonga namaly ny fanasana avy amin’ny FAO sy ny Governemanta Costa Rica i Madagasikara amin’ny alalan’i Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, izay namelabelatra ny zava-misy aty Madagasikara sy namaly ireo fanontaniana maro avy amin’ireo Mpandray anjara.