Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

San Jose, Costa Rica
Fivoriam-be an-tampon’ny Firenena Mikambana momba ny Ranomasina

      Izao tontolo izao dia miatrika krizy telo ankehitriny, ny fiovan’ny toetrandro, ny fahalotoana ary ny fahaverezan’ny zava-manana aina. Ny ranomasina anefa dia manana anjara toerana lehibe amin’ireo krizy telo ireo nohon’ny antony maro.
      Nanomana izao fivoriam-be izao i Costa Rica miaraka amin’ny La Frantsa mba hanairana izao tontolo izao mba hiaro ny ranomasina, indrindra ny fametrahana paikady mazava ho an’ny Firenena tsirairay hanatratrarana ilay tanjona hisian’ny Faritra arovana, handrakotra 30% an’izao tontolo izao, hiady amin’ny fahalotoana indridra fa ny akora plastika ary koa ny momba ny zava-manana aina ivelan’ny Faritra an-dranomasina iadidian’ny Firenena iray na ny BBNJ.
     Tonga namaly ny fanasana nataon’ny Firenena Mikambana i Madagasikara, nosoloan’Atoa Mahatante Tsimanaoraty Paubert, Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, izay nanambara fa tsy misy ny Toekarena Manga maharitra raha tsy misy ny fiarovana ny ranomasina sy ny zava-boahary ao aminy. Nambarany fa i Madagasikara no Firenena manana sisin-dranomasina farany lava aty Afrika ary amin’ny maha-Nosy azy dia manao ny ezaka rehetra hiarovany ny ranomasina ananany sy ny zava-boahary ao aminy.