Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

MPEB Ampandrianomby, Antananarivo
Fandalovan’ny mpandraharaha avy amin’ny Firenena Tiorka, BAYSUN A.S

     Tonga nihaona tamin’ny tompon’andraikitra tao amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga foibe Ampandrianomby, Antananarivo, ireo mpandraharaha avy amin’ny Firenena Tiorka, BAYSUN A.S, notarihan’Atoa Osman SERT, Mpanolo-tsaina ara-barotra ao amin’ny Masoivohon’i Torkia Antananarivo, anio 07 Jona 2024.
    Fihaonana izay niompana indrindra tamin’ny fangataham-piaraha-miasa eo amin’ny lafiny hazan-dranomasina.
Raha tsorina dia maniry ny hampiasa vola hanangana orinasa lehibe fanodinana trondro majinika ho lasa « Farine de poisson » sy menaka trondro eto Madagasikara izy ireo, raha toa ka mbola orinasa iray any Antsiranana ihany no misehatra amin’ny « Farine de poisson » ary mbola tsy misy eto amintsika kosa ny orinasa misehatra amin’ny menaka trondro.
    Noho izany indrindra dia azo heverina hitondra vokatsoa hoantsika Malagasy izany satria hisy handray ny vokatr’ireo mpanjono madinika ary vonona izy ireo ny hampiasa teratany Malagasy izay hiteraka asa ao amin’ny toerana eritreretin’izy ireo hametrahana izany ka hisy fiantraikany amin’ny Toekarenantsika eto Madagasikara.
Tafiditra ihany koa amin’ny paikady nasionaly hampiroboroboana ny Toekarena Manga.
    Marihana fa Firenena fahadimy eto Afrika hametrahan’izy ireo orinasa fanodinana i Madagasikara raha toa ka mamaly ny filan’izy ireo ny zava-misy eto amintsika dia ny samy hahazo tombony.
Hatreto aloha dia mbola fandalinana ny fizotran’ny asa sy ny fifanakalozana ara-teknika no dingana hiarahan’ny roa tonta.