Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ankorondrano, Antananarivo Faritra Analamanga
Atrikasa fiaraha-miasa ho fanatsarana ny antontanisa sy ny angom-baovavao eo amin’ny Jono madinika eto Madagasikara

Sehatra manandanja ny Jono madinika eto Madagasikara izay miantoka ny fiveloman’ny fianakaviana an’arivony ary manampy betsaka amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampiroboroboana ny ara- toekarena ihany koa izy. Ho fampaharetana izany sehatra izany dia zava-dehibe ny fanatsarana ireo antontanisa sy angom-baovao mahakasika izany .
  Misy arak’izany ny atrikasa ho fanatsarana ny antontanisa sy ny angom-baovavao eo amin’ny Jono madinika eto Madagasikara izay tanterahin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga miaraka amin’ny fiaraha-miasa amin’ny « Institut Halietique et des Sciences Marines (IHSM), sy ny « Duke University » ary ny FAO, izay atao etsy amin’ny Hotel IBIS Ankorondrano ny 10 sy ny 11 Jona 2024.
  Tanjona ny hanomezan-danja ny fanangonana sy famakafakana ireo angom-baovaovao manodidina ny jono madinika eto Madagasikara izay mikendry ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpikaroka eo amin’izany sehatra izany, eo ihany koa ny fifampizarana sy fandinihana ny traikefa azo avy amin’ny fanadihadiana maneran-tany sy ny fanadihadiana Nasionaly.
Tonga nanokatra ity Atrikasa ity moa ny Talen’ny Jono sy ny Fampamokarana ny atirano eo anivonn’y Ministera Atoa RAZAFIMANDIMBY Chrisostophe.