Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ampandrianomby, Antananarivo, Faritra Analamanga
Fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny MPEB sy ny Faculté des Sciences, Oniversiten’Antananarivo

  Notontosaina anio 06 Jona 2024 teny Ampandrianomby Antananarivo, ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny avy amin’ny Faculté des Sciences, Oniversiten’Antananarivo. Nisolo-tena an’ny roa tonta tamin’izany Fifanaovan-tsonia fifanaovan-tsonia izany Atoa TILAHY Desiré Sekretera Jeneralin’ny Ministera sy Profesora Rakotondramanana Hery Tiana Sojaben’ny Faculté des Sciences.
  Tanjona ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao indrindra ny fizarana ireo antontan-kevitra momban’ny vokam-pikarohana siantifika miompana amin’ny sehatry ny Jono sy ny karazan-javamanan’aina an-dranomasina. Hanatsarana ihany koa ny haitondra eo amin’ny fitantanana ny tontolo ny Jono sy hampiroboroboana ny Toekarena Manga sy
hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Teknisianina isan-tokony,eo ihany koa ny fanamorana sy fanampiana ireo Mpianatra manao ny asa fikarohana mifandraika amin’izany.
   Haharitra 5 taona ny fifanaraham-piaraha-miasa ary azo havaozina. Marihina fa ity no fifanarana faha 31 nataon’ny MPEB hatramin’ny niverenany indray ho Ministera.