Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Canal Olympia Andohatapenaka, Antananarivo, Faritra Analamanga
« Salon International des Acteurs Economiques » (SIAE) andiany fahatelo

   Nosokafana androany 05 Jona 2024 ny « Salon International des Acteurs Economiques (SIAE) » andiany fahatelo. Hetsika izay natao hampivondronana ireo mpisehatra ara-toekarena nasionaly sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany lanonam-panokafana izany ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa TILAHY Desiré.
  Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanamafisana sy ny hitaranan’ny lalam-barotra eo amin’ireo mpandraharaha isan-tsokajiny, fampihaonana azy ireo ihany koa amin’ny tompon’andraikim-panjakana sy ireo mpisehatra ara-toekarena tsy miankina. Arak’izany dia mandray anjara feno amin’ity « Salon International des Acteurs Economiques (SIAE) » andiany fahatelo ity ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga amin’ny maha Ministera mpiahy azy izany hetsika izany.
  Hita eny an-toerana arak’izany ny trano evan’ny Ministera ahitana ireo asa sy ezaka ataony ho tantsoroka ho an’ireo rehetra te ho mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny Jono sy Fiompiana anaty rano. Hifarana ny 08 Jona 2024 moa ity hetsika ity, ankoatran’ny fampirantiana amin’ireo trano eva dia hisy ihany koa ny loabary an-dasy izay hiresahana loha-hevitra maro mifandraika amin’ny sehatry ny Toekarena.