Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Maputo, Mozambique
Fifampizarana traikefa momban’ny fanadihadiana ireo « risque » amin’ny Jono tsy ara-dalana, tsy voafehindalana ary tsy voafanambara

  Notanterahina tao Maputo renivohitr’i Mozambique ny 28 hatramin’ny 30 Mey 2024 izao ny fanamafisana sy fifampizarana traikefa momba ny fomba fanadihadiana ireo risika amin’ny Jono tsy manara-dalana, tsy voafehin-dalana ary tsy voa-fanambara (jono INN) ho an’ireo fanjakana mikambana ao anatin’ny PRSP (Plan Régional de Surveillance des Pêches) dia i Comores , Kenya, Maurice, Seychelles, Somalia , Tanzanie i Mozambique mpampiatrano ary i Madagascar.
Mamatsy ara-bola an’izany ny Fandaharan’asa ECOFISH izay famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eropeana, eo ambany fitantanan’i COI. Ry zareo avy ao amin’ny « Agence européenne de contrôle des pêches » na ny (AECP) no nitarika ny fizarana ary fampitana ny traikefany.
  Tanjona ny mba hanatsarana hatrany ny ady atao amin’ny jono INN arak’izany dia nitarika ireo mpandray anjara miisa telo avy eto Madagasikara ny Tale mpanatanteraka ny Ivon-toerana fanaraha-maso ny Jono.