Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fkt Cité Ouvrière, Kaomina Ambonivohitra Antsiranana, Faritra DIANA
Fanolorana ny Birao vaovaon’ny DRPEB DIANA sy ny PISPPA Antsiranana/ASH

 

Fotodrafitrasa lehibe vaovao miisa 02 no natolotr’Atoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA hoan’ny ratsa-mangaikan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao amin’ny Faritra DIANA androany 24 Mey 2024 tao Antsiranana vokatrin’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana Malagasy.

Voalohany amin’izany ny Birao sady toeram-ponenanan’ny Fitaleovam-paritrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga vaovao ao amin’ny Fkt Cité Ouvrière ahitana rihana 02, misy efitrano 16 : Birao fiasana 05, Efitrano fiandrasana 02, Efitrano fitehirizana 03, Efitrano fivoriana 02, Efitrano fatoriana 03 ary Efitrano fihinana miampy lakozia 01.

Ny faharoa kosa dia ny Birao sady toeram-ponenanan’ny PISPPA Antsiranana, ratsa-mangaikan’ny ASH (Autorité Sanitaire Halieutique) vaovao ao amin’ny Fkt Cité Ouvrière ihany ahitana rihana 01, misy efitrano 13 : Birao fiasana 02, Efitrano fivoriana 01, Efitrano fikirakirana ara-teknika 01, Efitrano fiandrasana 01, Efitrano fitehirizana 01, Toerana fipetrahan’ny fiara 01, Efitrano fatoriana 03, Efitrano fandraisam-bahiny 01, Efitrano fihinana 01 ary Lakozia 01.

Izao no natao dia mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny asam-panjakana, tamberin’andraikitra hoan’ny vahoaka eny ifotony ary hahafahana manakaiky kokoa azy ireo.
Marihana fa ity Birao vaovaon’ny DRPEB DIANA ity dia anisan’ireo fotodrafitrasa lehibe miisa 23 naorin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary faharoa kosa raha hoan’ny Faritra DIANA tao aorian’ny biraon’ny CirPEB Ambanja.

Tonga nanome voninahitra sy nisolotena an’Atoa Ministra izay namita iraka any ivelany ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, notronin’ireo tompon’andraikitra avy any Antananarivo sy ny tao an-toerana ary indrindra ireo Fikambanan’ny mpanjono miisa 10 manodidina ny Renivohitr’Antsiranana izay anisan’ny hahazo tombotsoa amin’izao Fotodrafitrasa izao.