Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Tolagnaro, Faritra Anôsy
Fitokanana ny “Station marégraphique”

  Notanterahana ny faha 23 Mey 2024 teo ny fitokanana ny « Station marégraphique » tao Tolagnaro, Faritra Anôsy, fotodrafitrasa natao handrefesana ireo atontam-baovao ara-tsiantifika maro isan-karazany mahakasika ny ranomasina sy ny manodidina azy .
Tonga nanome voninahitra izany Atoa Sekretera Jeneralin’ny Faritra Anôsy, nisolotena and-Rtoa Governora, ny Lehiben’ny Fitaleovana Tolagnaro, ny Talen’ny Ivotoeram-pampianarana Ambony na ny IES Anôsy, ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, notronon’ireo Talem-paritra sy Olo-manankaja maro avy ao an-toerana.
Zava-dehibe ity toby vao naorina ity satria dia natao hanangonana ireo atontam-baovao ara-tsiantifika isan-karazany izay hanampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra toy ny eo amin’ny lafiny fiarovana ny morontsiraka, ny momba ny fiakaran’ny ranomasina, ny fitaterana an-dranomasina, ny mahakasika ny jono sy ny fialam-boly an-dranomasina, ny fisorohana ny mety ho fisian’ny tondra-drano ary ireo maro hafa.
Minisitera telo no niara-nisalahy nahafahana nanatontosa ny fametrahana izao fotodrafitrasa izao dia ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ary ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) sy ireo mpiara-miombon’antoka maro fa indrindra ny Ivotoerana Voalohany ho an’ny Ranomasina (First Institute of Oceanography na FIO) izay ratsa-mangaikan’ny Minisitera Sinoa misahana ny Harena Voajanahary izay angady nananana sy vy nahitana izao hetsika izao.
Natao hoan’ny rehetra ny angom-baovao azo avy ao amin’io « Station marégraphique » io ary azon’ny daholobe hampiasana fa indrindra ho amin’ny asa fikarohana.
Mbola i Toliara sy Tolagnaro ihany no manana ity fotodrafitrasa ity saingy ao aoriana kely dia hitatra any amin’ny toerana hafa ny fametrahana ny “Station marégraphique » toy ny any Nosy Be, Toamasina, Morondava ary Vangaindrano.