Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Betsinefo , Fkt Antateza ,kaominina Milenaky , Toliara II, Faritra Atsimo andrefana
Azo hiompiana trondro avokoa izay toerana ahitana loharano sy tohodrano rehetra

Mitombo hatrany ireo olona Liana amin’ity seham-pihariana fiompiana trondro ity , Anisan’izany A/toa Feno Veloson , namorona ny fikambanana fenomaintso izay manana toerana Mirefy 19ha Ankehitriny Ary tiany ho avadika dobo fiompiana trondro .
Marihina fa Efa manana dobo trondro ny tenany fa tiany hampiroboroboana hatrany izany amin’ny alalan’ny fanampiana dobo amin’io velaran-tany Io. Efa nisy ihany koa ny fampiofanana nataony teny an-toerana ho an’ireo izay Liana amin’izany.
Tafiditra anatin’ny vinan’ny Ministeran’ ny Jono sy ny Toekarena manga ihany koa ny Hametrahana dobo fiompiana trondro amin’ny Toerana misy tohadrano Sy loharano eto Madagasikara . Nijery ny toerana hametrahana izany A/toa Minisitra MAHATANTE Paubert izay toerana ahitana loharano tsy mety ritra.

Nomen’A/toa Minisitra avokoa ireo Tombotsoa azo avy amin’ny fiompiana trondro miaraka amin’ny toro-marika ara-teknika rehetra ahafahana mamboatra ireo Dobo -trondro izay ho apetraka ao an-toerana