Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Faritra SAVA
Fisokafan’ny Jono « Sardine »

 

Nisokatra ny 01 Mey 2024 ny Jono « Sardine » tao amin’ny Faritra SAVA, rehefa nikatona nanomboka ny 08 Oktobra 2023.
Noraisina ny fepetra fanakatonana fanjonoana « Sardine » madritra ny vanim-potoana mafana ao amin’ny Faritra SAVA mba hisoroana ny mety ho fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana io karazana hazandrano io.

 

Raha ny vokatra azo tamin’ny andro voalohany dia nahatratra 6 600kg eo tamin’ny lakana 12 misy mpanjono 6, izany hoe manodidina 550kg isaky ny Lakana. Nahitana fihenana io vokatra niakatra io raha oharina tamin’ny taona 2023 izay nahatratra 10 500kg ny andro voalohany.

 

Maro ireo mpanjono tsy sahy miandriaka satria ratsy ny toetrandro, misy ihany koa ireo toerana tsy nahitana mpividy vokatra satria manahirana ny ahatongavana any Loky-Manambato/Vohemar sy Cap Est/Antalaha ka aleon’ny mpanjono miandry kely.
Marihana fa ireo karazana « Sardine » toy ny « Sardinella Albella » sy ny « Sardinella Melanura » no hita ao SAVA.