Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Oniversiten’i Maorisy, Reduit, Maorisy
Fifanakalozan-kevitra mahakasika ny fampiroborobona ny jono

  Notanterahana tao amin’ny anjery manontolon’ny Maorisy ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo manam-pahaizana avy ao Maorisy, Madagasikara, Kaomoro ary Japana mahakasika ny fanehoana ny valin’ny fikarohana nampanaovin’ny JICA manoloana indrindra ny zava-misy eo amin’ny sehatry ny fampiroborobona ny jono tamin’ireo firenena telo ireo.
  Hita araka ny fanadihadina natao fa mbola maro ireo ezaka sy fanatsarana tokony hatao mba hisitrahan’ny mponina amin’ireo Nosy telo ireo izany vokatry ny jono izany.
 Teo ihany koa no nifampizaran’ny delegasiona Malagasy ny Paikadim-pirenena mikasika ny Toekarena Manga (Stratégie Nationale de l’Économie Bleue) ka niantsona ireo mpiara-miombona antoka mba hiara-dia amin’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana io paikady io toy ny JICA, ny COI.
  Ry zareo Japoney kosa nanararaotra nizara ny fomba fijeriny izany Toekarena Manga izany ka nametrahany fa afaka miainga amin’ny sehatry ny jono isika raha hampiroborobo izany ka ireo mpisehatra ifotony, indrindra fa ireo mpanjono dia tokony handray anjara ary hisitraka izay vokatsoa amin’izany.