Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Libanona, Taolagnaro
FITOKANANA NY BIRAO VAOVAON’NY FITALEAVAM-PARITRY NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA ANÔSY

Manana morontsiraka 194km ny Faritra Anosy avy ao Sampona ka hatrany Soavary. Ahitana Mpanjono 8.143, mpanangombokatra 139, Orinasa momba ny Jono 12 ny ato amin’ny Faritra. Vokatra oratsimba na langouste no tena ahafantarana ny aty Anosy, 373 tonnes no vokatra ny taona 2023.
Vola manodidina ny 10 ka hatramin’ny 15 lavitrisa ariary no miodina ato. Ny huitre na zoity ihany koa dia ahafantarana ny Faritra atsimo ka 13 taonina isan-taona no vokatra azo.
Noho ireo antony rehetra ireo dia nametraka ity fotodrafitrasa mijoalajoala ity ny Fitondrana ankehitriny mba hampiroboroboana ny Toekarena Manga aty ifotony. Trano ahitana rihana iray izay 146m2 ahitana efitrano fiasana dimy ny ao ambany ary trano fonenan’ny Talem-paritry ny ao ambony ka ahitana efitra dimy ihany koa. 37a no tokotany misy azy.
Tonga nitokana ity fotodrafitrasa ity aty Taolagnaro Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina, notronin’Atoa Minisitry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante sy ireo Mpikambana ao amin’ny governemanta izay niaradia taminy aty an-toerana.