Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Rabat, Maroc
Fihaonana teo amin’Atoa Paubert Mahatante sy Prof. Mohammed Sadiki, Minisitra Marokana misahana ny Jono

  Ny taona 2023 no efa nanasa an’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga ny Marokana ary tany Agadir no nisian’izany fihaonana voalohany izany.
Betsaka ny zavatra nifampiresahana mahakasika ilay «Blue belt initiative» ka i Madagasikara no isan’ny Firenena aty Afrika hitan’izy ireo fa tena miasa mafy mampiroborobo izany Toekarena Manga ho tombotsoa iarahana.
 Ho tohin’ny fifampiresahana, isan’ny zavatra nifanakalozana amin’izao fihaonana fanindroany izao ny resaka fanaovana tombana ny tahiry an-dranomasina na ny « évaluation de stock » izay voalaza fa ny taona 2.000 tany no nisiany farany.
Hisy ihany koa ny fifanakalozana traikefa amin’ny lafiny «Campagne océanographique» ka hanasana ny IH.SM na « Institut Halieutique et des Sciences Marines » sy ny CNRO na ny « Centre National des Recherches Océanographiques » mba handray anjara amin’ity taona ity ihany hiarahana amin-dry zareo Marokana.
  Nampahatsiahy ry zareo Marokana fa ny tantara no mampifamatotra antsika amin’izy ireo ary tsy hadinon’izy ireo mandrakizay ny soa vitan’i Madagasikara nandritry ny fotoana nandraisantsika ny Mpanjaka Mohammed V tao Antsirabe (exil : 1954 – 1955).