Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Terrain Mayer, Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo : Fitokanana fotodrafitr’asa

Notokanana androany Zoma faha 19 Aprily 2024 ny Biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) ao Fenoarivo Atsinanana.

Fotodrafitrasa natao mba hahafahana manakaiky ny vahoaka sy hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tamberin’andraikitra hoan’ireo vahoaka Malagasy eny ifotony mpisitraka izany.
Fotodrafitrasa naorina vokatry ny ezakin’ny Fitondram-panjakana Malagasy izay manaraka ny vanim-potoana ankehitriny, ahitana birao fiasana misy efitra miisa 6, efitrano fivoriana 1 ary trano fidiovana. Ahitana trano fonenana ihany koa izay misy efitra 3, lakozia ary trano fidiovana.

Tonga nanatanteraka izany Atoa Filoham-pirenena hajaina Andry Nirina Rajoelina notronin’Atoa Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, ireo mpikambana samihafa eo anivon’ny Governemanta, ireo Loholon’i Madagasikara sy ireo Solombavam-bahoaka maro, ireo Ben’ny Tanàna maro sy ny Governora avy ao Analanjirofo ary Atoa Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, notronin’Atoa Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Famokarana Anaty Rano, nisolotena an’Atoa Minisitra mamita iraka any ivelany.

Faly sy velom-pisaorana ny eny ifotony fa indrindra ny mpanjono izay tonga maro nanotrona izao lanonana izao.
Marihana fa fotodrafitrasa miisa 20 mahery no naorina tato anatin’ny Faritra Analanjirofo ka anisan’izany izao birao vao notokanana androany izao