Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Atrikasa ho famolavolana ny drafi-panajariana ho fitantanana ny Farihin’Itasy sy ireo zana-dranony

Notanterahana ny 17 Aprily 2024 tao amin’ny « Hotel Chez Jacky » Ampefy, Kaominina ambanivohitry ny Faritra Itasy, ny atrikasa ho famolavolana ny drafi-panajariana ho fitantanana ny Farihin’Itasy sy ireo zana-dranony hampiroboroboana ny Toekarena Manga ao an-toerana sy ho tombotsoan’ny mponina.
  Novelabelarina tamin’izany ny tombony ananan’ny Faritra eo amin’ny lafiny Toekarena Manga, ireo ezaka samihafa efa nataon’ny tompon’andraikitra isam-paritra teo ambany fitarihan’ny Governora ho fiarovana sy fikolokoloana ny farihy mba holovain-jafy ireo seha-pihariana isan-karazany tanterahana ao an-toerana.
Tsapa ihany koa fa misy ireo olana ao an-toerana eo amin’ny samy mpampiasa, ny fahatotoran’ny sisim-parihy mitarika amin’ny fihakelezan’ny velarany.
   Navoitra ihany koa ireo dingana hanatanterahana izany drafi-panajariana izany ka iarahana miombona antoka amin’ny COGELI (Komity mpitantana ny farihy eny ifotony) sy ny Faritra ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Misy ihany koa moa ny fiaraha-miasan’ny Faritra Itasy amin’ny « Région Aquitaine ».
   Omena lanja sy azo ampiasaina ireo rafi-pitantanana efa misy hanatevina ny komity maro lafy « Cluster EB/GO » izay efa misy eo anivon’ny Faritra Itasy.
Izany no natao mba hampirindra ny fampiasana ny farihy ho tombotsoan’ny vahoaka any Ifotony.
   Marihana fa nandray anjara tamin’ity atrikasa ity ireo ratsa-mangaika rehetra eo anivon’ny Faritra izay ahitana ireo manam-pahefana sy solotenam-panjakana, sivily, ny sehatra tsy miankina ary ireo solotenan’ny vondronolona ifotony.