Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fihaonana tamin’ireo Vondron’olona Ifotony mpanara-maso ny AMP Ankivonjy tantanin’ny WCS

Fangatahana maro amin’ireo fitarainan’ny mponina ao amin’ny Fkt Marotony, Kaomina Ambanivohitra Bemanevika Ouest, Distrikan’Ambanja, Faritra Diana, no afaka tanterahana raha ny fanambaran’Atoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert nandritra ny fandalovany tao an-toerana ny 02 Aprily 2024.
Fampanantenana nomen’Atoa Minisitra ny hanomezana « Kits de sécurité en mer » ahitana salotra vonjy aina miisa 30, « vedette » miaraka amin’ny « moteur hors bord », « frigo solaire », « filets multi-filaments », « fumoir » ary fampiofanana, sns … Raha ny mahakasika ny Ministera hafa kosa dia hampitana amin’ny tompon’andraikitra mivantana izany.
 Nanamafy hatrany ihany koa Atoa Minisitra nandritra ny fandraisam-pitenenany fa ny resaka fanjonoana dia miankina tanteraka amin’ny fikolokoloana ny tontolo iainana an-dranomasina toy ny vatohara, ny alahonko ary ny ahi-dranomasina.
Nohon’ny fisian’ny Faritra arovana an-dranomasina AMP Ankivonjy no antom-pisian’ny WCS miara-miasa amin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Hitady zanaka dingadingana ihany koa ny Ministera mba hafahana manaparitaka sy mampiroborobo ny fiompiana dingadingana anaty vala.
 Solontena avy amin’ny Fkt efatra ao anatin’ny Kaomina Bemanevika Ouest moa no tonga nanatrika ity fihaonana niarahana tamin’Atoa Minisitra ity.