Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Fitsidihan’ny Masoivohon’i Royaume Uni sy ireo delegasiona avy ao amin’ny OCPP – MPEB

Tonga nitsidika an’Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert, tao amin’ny Birao fiasany tao Ampandrianomby androany 11 Martsa 2024 ny Masoivohon’i Royaume Uni, SEM David William Ashley, niaraka tamin’ireo delegasiona vaovao avy any Royaume Uni mpikambana ao amin’ny OCPP na « Ocean Country Partnership Programme (Programme de partenariat inter-pays sur les océans) » izay misehatra indrindra amin’ny fikajiana sy fiarovana ny tontolo iainana an-dranomasina.
 Tanjona tamin’izao fihaonana izao ny hanatsarana hatrany ny harena an-dranomasina ka voaresaka tamin’izany ny fiarovana ireo toeram-ponenan’ireo hazandrano toy ny honko, vatohara, lomotra ary ireo ahi-maintso rehetra ao anaty ranomasina sy ny fahalotoana an-dranomasina.
Voaresaka ihany koa ny mahakasika ny ady atao amin’ny « Pêche INN » na Jono tsy manara-dalàna, tsy voafanambara ary tsy voafehin-dalàna sy ny hafahana manampy an’i Madagasikara amin’ny fametrahana ireo faritra arovana an-dranomasina rehetra mba hafahantsika miaro amin’ny hampaharitra ny harena an-dranomasina.
 Marihana fa hisy ny fifanakalozana eo amin’ny Firenena roa tonta sy atrikasa hotanterahana amin’ny herinandro ambony hafahana mijery ny zavatra efa vita sy ny mbola hatao ary ny fomba hanampian’i Royaume Uni an’i Madagasikara.
 Izao fiaraha-miasa izao moa dia vokatrin’ny ezaka maro vitan’i Madagasikara ary koa tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny Toekarena Manga.