Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Kaominina Ambonivohitra Toamasina I, Distrikan’I Toamasina I, Faritra Atsinanana
Ezaka amin’ny ady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voa-fanambara ary tsy voafehin-dalàna (Pêche INN)..

Notanterahina ny 29 febroary 2024 ka hatramin’ny androany 01 martsa 2024 tao amin’ny seranan-tsambon’ny Toamasina ny fandrafetana (montage) sy ny fanandramana teny ambony ranomasina (mise à l’eau) ireo sambo haingam-pandeha telo (03), mirefy 12 metatra ny halavany ary manana milina telo marika YAMAHA manana tanjaka 300HP tsirairay avy .

Fanomezana avy amin’ny Governemanta sy ny vahoaka Japoney ho an’ny Madagasikara noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny firenena roa tonta izy ireto izay natao hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna, tsy voa-fanambara ary tsy voafehin-dalana. Hanampy ihany koa amin’ny mety filàna raha misy famonjena aina indrindra ho an’ireo mpiandriaka izy ireto.

Miisa dimy (05) izy ireto izay mitondra ny anarana ATSANTSA I, II, III, IV ary V, ka ny roa (02) anjaran’ny Toamasina sy Taolagnaro efa amperin’asa tanteraka ary ny anjaran’i Antsiranana, Mahajanga ary i Toliara ireto telo (03) kosa no izao natao fanandramana ankehitriny izao.

Tonga tao Toamasina nanatanteraka izany fandrafetana sy fanandramana izany mialohan’ny nanolorana ny fanalahidy ireo teknisiana Japoney ary natrehin’ny Tale mpanatanteraky ny Ivon-toerana mpanara-maso ny Jono sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny Talem-paritry ny Jono sy ny Toekarena Manga ao anivon’ny Faritra Atsinanana.

Ampahatsiahivina fa miisa telo amby roapolo (23) izao ireo sambo ampiasain’ny Ministeran’ny Jono sy ny toekarena Manga ankehitriny ho entina manao ny asa fanaraha-maso ny jono sy ho entina miady amin’ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voa-fanambara ary tsy voafehin-dalàna (Pêche INN).