Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Poissonnerie Ambolomadinika, Kaominina Ambonivohitra Toamasina I, Faritra Atsinanana
Hetsika fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ny Drafitr’asa ara-tsosialy “Fia-Mora” tao an-toerana

Notontosaina ny faha 27 febroary 2024 lasa teo ny hetsika fanaingana tamin’ny fomba ofisialy ny Drafitr’asa ara-tsosialy “Fia-Mora” tao Toamasina, Faritra Atsinanana izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga ary niarahana nisalahy tamin’ny Vondrona REFRIGEPECHE Madagasikara.

Izao no natao dia ny hitsinjovana ireo tokantrano marefo sy mba hampiakarana ny tahan’ ny fihinanana trondro ho an’ny Malagasy eto Madagasikara.

Tonga nandray anjara tamin’izany hetsika izany Rtoa Tale Mpanatanteraka ny AMPA, Ny Talem- paritry Jono sy ny Toekarena Manga (DRPEB) avy ao Atsinanana izay notronin’ireo Manampahefana tao an- toerana izay nahitana an’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Faritra Atsinanana sy ny Solontena avy tao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Toamasina I.

Tonga nanokatra izao hetsika izao tamin’ny fomba ofisialy Atoa Lehiben’ny Fileovan’ny Toamasina izay notronon’ireo solontenam-panjakana maro izay voatanisa teo ambony.

Tsara ny manamarika fa fanombohana ihany ity hetsika ity ary hoezahina ny hanohizana izany mandava-taona. Hita ihany koa nandritra izao fanombohana izao fa dia maro ireo tokantrano marefo tonga nanjifa.