Fanjonoana digandingana aty avaratry ny Nosy izay tsy misy ifandraisany amin’ny fanjonoana trondroFanazavana momba ireo Mpanjono 164
Ny digandingana na zanga na concombre de mer dia biby an-dranomasina manana anjara asa ara-ekolojika hanadio ny « substrat » misy azy satria biby mpanadio izy ireo (animaux filtreurs). Tsy tafiditra anatin’ny sakafon’ny Malagasy izy ireo satria tsy haintsika ny mikarakara azy. Ry zareo aziatika kosa no mihinana azy noho ny « vertus » maro izay ananany. Efa nanomboka ny Repoblika voalohany no nisy ny fanjonoana digandingana teto amintsika. Ankehitriny dia manodidina ny Ar 30.000 hatramin’ny Ar 40.000 ny digandingana iray ka betsaka ny olona mitady azy na dia efa any amin’ny toerana lalina no sisa ahitana azy ireo eto amintsika. Manodidina ny 300 taonina isan-taona ny vokatra digandingana eto amintsika.
Ny taona 2004 kosa dia efa niroso amin’ny fikarohana momba ny fiompiana ity biby ity ny teo anivon’ny « Institut Halieutique et des Sciences Marines » na IH.SM ao amin’ny Oniversiten’ny Toliara satria efa tamin’izany andro izany no tsikaritra fa mihalany tamingana ireo karazana digandingana sasan-tsasany. Ny zanga fotsy na « holothurie de sable » no tena voafehintsika ary ananan’ny Malagasy « brevet » izany ka ireharehantsika manerantany. Efa betsaka ireo Orinasa manao ity fiompiana digandingana ity eto amintsika toy ny hita ao Atsimo Andrefana, SAVA ary DIANA. Ny fahavalony dia ny resaka halatra satria biby mora velomina fa mora angalarina ihany koa. Tsy omena sakafo fa mamelontena ny zanga ary 15 ka hatramin’ny 18 volana dia efa azo aondrana.
Ny 02 Febroary 2024 lasa teo no naharay antso avy amin’ny manam-pahefana Seychellois ny tenako fa misy ireo Mpanjono tratra ao amin’i « Ile Providence », 400km avaratry Antsiranana fa 300km atsimon’i Victoria. « Bateau de plaisance » nandalo no nahita azy ireo ka nilaza tamin’ny Tafika an-dranomasina Seychellois. Sambo mihoatra ny enina no voalaza fa nitondra ireo Mpijibika (plongeurs) ireto satria nisy ireo tafatsoaka ka efa tonga niverina teto Madagasikara, misy ny efa voasambotra, misy kosa no andalam-pikarohana amin’izao izay iarahan’ny Zandarimaria sy polisy nasionaly manatanteraka.
Marihana fa efa fanintelony izao no nitranga ny fahatratrarana Mpanjono Malagasy tany Seychelles izao. Tamin’ny taona lasa dia efa nisy 34 tratra ary volana vitsivitsy taorian’izany dia nisy 54 tratra ihany koa. Ankehitriny dia tafakatra 164 no tratra, any ka mahatonga an-dry zareo Seychellois mampiaka-peo. Ry zareo Seychellois hatrany no niantoka ny famerenana ireo olona ireo eto amintsika satria izay no voalaza ao amin’ilay fifanarahana izay nosoniavan’ny Firenena roa tonta. Hita mibaribary ary ankehitriny fa misy manakarama ireo olona ireo ary tambajotra mihitsy no misy satria voalaza fa misy Mpijibika avy any Mahajanga, Toamasina ary Ambanja, Ambilobe sy Nosy Be no manao izany ka mandeha any Seychelles.
Marihana ihany koa fa tsy ilay fanjonoana digandingana no tsy azo atao fa ny tsy fanarahan-dalana toy ny fampiasana bouteille de plongée, ny fanjonoana ireo zanga madinika (latsakin’ny 11cm) ary indrindra ny fankanesana any amin’ny tanin’olona. Tsy misy ifandraisany ihany koa amin’ny fanjonoana trondro izao tranga izao satria biby samy hafa izy ireo, toerana samy hafa no ahitana azy ary fitaovana sy fomba samy hafa no anjonoana azy. Efa betsaka ireo nisazy tamin’ireo tranga teo aloha ireo. Amin’izao dia nahitana olona enina (06) izay efa mpamerin-keloka. Tanjona ankehitriny ny hamongorana ilay tambajotra (Mpijibika, mpampiasa, mpanagom-bokatra, mpanondrana sy ny maro samihafa…). Fantatra fa misy olom-boafidy ihany koa voarohirohy amin’izao raharaha izao sy mpampiasa vola maromaro eto Madagasikara.
Manoloana izao tranga izao dia mangataka fiaraha-miasa amin’ny vahoaka rehetra isika mba hamongorana ity tambajotra ity satria sady maharary no mahamenatra. Voalaza ihany koa fa mety hanondrana volamena sy rongony ireo olona ireo ka mampiasa fitanterana an-dranomasina. Marihana etoana fa na ny Amerikana dia nilaza fa tsy afa-bela amin’ny resaka Pêche INN na Jono tsy manara-dalana ity na dia manana ny fitaovana raitra rehetra, indrindra fa raha sanatria ka avy ao anatin’ny Firenena no manao azy araky ny fanambarana nataon’Atoa Amiraly Calvin Foster teto amintsika herinandro vitsy lasa izay… Avy ato anatiny izao tranga izao ankehitriny ka izay no maha-sarotra azy. Efa an-taonany maro no tsy naheno Sambo vahiny nanjono tsy ara-dalana eto amintsika isika nohon’ny ezaka maro nataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny sy ireo Mpiara-miombona antoka amintsika…