Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

CDA Mahajanga, Kaominina Ambonivohitra Mahajanga, Faritra Boeny
Fampiofanana Fiompiana TrondroTilapia

 

Mpikambana miisa 11 avy amin’ ny solontenan’ ny OPs sy teknisiana miisa 09 avy amin’ny FIARO, tetikasa « Fananganana fahaiza-manaon’ny Fikambanan’ny tantsaha manodidina ny vary, akondro ary ny sehatry ny jono any amin’ny faritra DIANA », izay tohanan’ny Vondrona Eoropeana ara-bola, AFDI_AVSF no nanaraka fiofanana fiompiana trondro tao amin’ny Ivo-toerana Fampandrosoana ny fampamokarana ny atirano na ny CDA Mahajanga nanomboka ny 11 ka nifarana ny faha 13 Desambra 2023.

Ny tanjona napetraka nanditra ny fanatanterahana izao fiofanana izao dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo ara-teknika mahakasika ny fiompiana trondro, ny famokarana zana-trondro ary ny fanamboarana sakafon-trondro, sy ny mba hahafahan’izy ireo ihany koa mampiroborobo sy mampivelatra ny Fikamban’ny tantsaha any amin’ny faritra misy azy ireo ka hahatonga azy ireo ho mpisehatra ara-toekarena afaka hanome lanja misimisy kokoa amin’ny seha-pihariana « Fiompiana trondro ».

Nandritra ny roa andro voalohany nanatontosana ny fiofanana dia niompana tamin’ny fanazavana momba ireo lohahevitra izay voatanisa etsy ambony raha toa ka ny fampiharana teny an-kianja kosa no nanamarihana ny andro fahatelo farany.

Tao aorian’ny fiofanana moa dia nisy ny fanolorana fanamariham-piofanana ho an’ireo mpiofana nandray anjara.