Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Ivato , Faritra Analamanga
Fitsidihana ny Orinasa MADA’S

 

Orinasa iray misehatra amin’ny fikirakirana « zanaka amalona » (civelles) no notsidihan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert ny faha 09 Desambra 2023 niaraka tamin’ireo ekipa avy eo anivon’ny ASH (Autorité Sanitaire Halieutique) sy ny DRPEB Analamanga.

Vao tamin’ity taona 2023 ity no nisokatra ity orinasa ity, izay vao nohajariana hanaraka ny fenitra takiana amin’ny fikirakirana ny vokatra satria dia orinasa misehatra amin’ny drakaka izy ity teo aloha.
Raha ny vinavina hoan’ireo vokatra miditra ato amin’ity orinasa ity dia mahatratra 10 Taonina hatramin’ny 50 Taonina isan-taona.

Ny anton’izao fitsidihana izao dia ny hanomezana torohevitra ara-teknika rehetra ary koa hijerena ny pitsopitsony rehetra amin’ireo fitaovana hampiasana sy ny toerana handraisana ary hanodinana ireo vokatra mba ho ara-pahasalamana sy hanaraka ny fenitra ihany koa. Mbola tsy manondrana izy ireo hatreto fa miandry ny fahazahoan-dalana avy eo anivon’ny ASH.

Ilaina ny fanohanana ny orinasa toy itony hoy Atoa Ministra hafahana manome asa mendrika hoan’ny tanora sy ireo tsy an’asa. Entina ihany koa izany hampiroboroboana ny sehatry ny Toekarena Manga.