Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Waterfront, Cape Town, Afrika Atsimo
Fitsidihana Ivotoeram-pikarohana momban’ny fihariana anaty rano (Marine aquaculture research)

 

Mandalo eto Cape Town Afrika Atsimo Atoa Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga Mahatante Tsimanaoraty Paubert namaly ny fanasana izay nataon’ny « Pew Charitable Funds » momban’ny fivoriana mahakasika ny fiarovana ny ain’ny Mpanjono madinika aty Afrika izay haharitra roa andro (05-06 desambra 2023).

Nohararaotin’Atoa Minisitra izany fandalovany eto izany ka nitsidihany ireo Ivotoeram-pikarohana maromaro ka isan’izany ny « Marine Aquaculture Research » izay tena raitra tokoa satria hita ato ny fiompiana trondro an-dranomasina toy ny fiampotsy na fiantsara (Argyrosomus japonicus), mullet, angera (Pomadasys sp.) ary sokin-driake (oursin). Ireo dia natao hanenana avokoa ireo tsindry amin’ny fanjonoana ary hamoronana asa sy hiadiana amin’ny tsy fanjariantsakafo maneran-tany.

Niady ny resaka teto ary irina ny fametrahana fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny Ivotoerana toy itony izay tena hita mivaingana ny vokatr’izany. Manana ireo harena ireo avokoa isika ao Madagasikara ary ilaina ny mahavoafehy ny fiompiana azy ireo mba hanatsarana hatrany ny tontolon’ny Toekarena Manga.