Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Mahajanga, Faritra Boeny
Fitsidihana ny birao vaovaon’ny ASH (Autorité Sanitaire Halieutique)

 

Vita soa aman-tsara ny asa fananganana ny birao vaovaon’ny ASH eto Mahajanga, ivon-toerana iray mikirakira ny fanondranana entana rehetra mifandraika amin’ny Jono miainga avy eto Madagasikara makany ivelany. Marihana fa miisa 11 ny isan’ity ivon-toerana ity eto Madagasikara.
Ity eto Mahajanga ity dia manao ny fikirakirana manokana mahakasika ireo sambo izay miasa amin’ny tontolon’ny Jono sy ireo antontan-taratasy amin’ny resaka fanondranana entana amin’ireo « Société des pêches ».

Zava-dehibe ny fisian’izy ity satria anisan’ny hitondra fanavaozana eo anivon’ny MPEB, izany dia nohon’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka rehetra.

Tonga nijery izany teny an-toerana Atoa Minisitrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga, MAHATANTE Paubert, sy ireo tompon’andraikitra miasa ao anatin’ity ivon-toerana ity.