Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Distrika Soalala, Faritra Boeny
Fitsidihan’ny Ministrin’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy fanomezana fitaovana maro hoan’ireo fikambanan’ny mpanjono

 

Tonga eto amin’ny Distrikan’i Soalala Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert androany 27 Novambra 2023, hanatrika ny hetsika entina hanohanana ireo mpanjono amin’ny alalan’ny fizarana ireo fitaovana maro entina manatsara ny asa fiveloman’izy ireo.

Sambany no nisy Minisitra nitsidika ireo mpanjono eto Soalala izay miisa manodidina ny 300 eo ka faly sy ravo ary vonona ny hifampitafa mivantana aminy hihainoana ny hetahetan’izy ireo.

Efa ela no niandrasan’ireto mpanjono ireto ny Minisitra mpiahy azy ireo ka tonga ny fotoana androany izay nihaonana mivantana taminy ary nentina nanampiana azy ireo.

Nisitraka fitaovana hisorohana ny loza an-dranomasina izy ireo izay ahitana salotra vonjy aina miisa 70, eo koa ireo fitaovana hanantaterahana ny asa toy ny harato sy ny kojakoja miaraka aminy miisa 50.

Tonga nanatrika ny hetsika ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny ao an-toerana. Mbola ho avy hoy ny Minisitra ny fitaovana hafa ankoatra ireo fa savaranonando ity atao anio ity.