Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Manarintsoa, Kaominina Ambatomirahavavy, Faritra Analamanga
Fihaonana handrindrana ny fitantanana rano ao LOZORO

 

Ho fandaminana sy ho fandravononana amin’ny hitantanana ny Farihin’i LOZORO ao amin’ny Kaominina Ambatomirahavavy dia nisy ny fihaonan’Atoa Minisitra MAHATANTE Paubert tamin’izy ireo ny 23 Novambra 2023.

Mahatratra 60Ha ny velaran’ny Farihin’i LOZORO ary mpanjono maro no mivelona amin’izany ka ho fandaminana sy fandrindrana ireo mpanjono ireo dia natao izao fihaonana izao mba ho fitantanana maharitra ireo harena ao anatin’izany Farihy izany.

Fehi-kevitra miisa telo no nivoaka tamin’izany:

– Ny fikatonan’ny rano tsy miova 15 Oktobra hatramin’ny 15 Desambra.
– Ny fanaraha-maso dia andraikitry ny DRPEB Analamanga sy ny manam-pahefana manodidina ny rano.
– Ny DRPEB Analamanga no manao ny naoty fahampafantarana ny fikatonana sy fisokafan’ny rano.

Marihana fa Farihy iraisan’Analamanga sy Itasy ity Farihy LOZORO ity ka voakasika tamin’izany fihaonana izany ireo fikambanan’ny mpiompy trondro avy ao Alakamisy Fenoarivo sy ny FFV Ambatomirahavavy.

Nanotrona an’Atoa Minisitra tamin’ity fihaonana ity ny Talean’ny CSP, ny Ben’ny Tananan’ny Kaominina Fenoarivo sy Ambatomirahavavy, ny DRPEB Analamanga sy Itasy ary ireo manam-pahefana eny ifotony.