Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Antsirabe, Faritra Vakinankaratra
Atrikasa fifanakalozan-kevitra iarahan’ny avy amin’ny MPEB-MINAE-MEDD entina handrindrana ny sehatry ny « Agriculture » hanomezan-danja ireo zava-manana aina eto Madagasikara

 

Miankina betsaka amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny Fambolena, ny Fiompiana, ny Jono ary ny resaka Tontolo iainana ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ary anisan’ny mampalaza azy ihany koa ny fananany ireo zava-manana aina isan-karazany.

Misy arak’izany ny atrikasa izay tanterahana eto Antsirabe mandritra ny 4 andro entina hifanakalozan-kevitra sy traikefa eo amin’ireo Ministera telo lehibe tafiditra ao anatin’izany rafitra izany dia ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB ), ny Ministeran’ny Fambolena sy fiompiana (MINAE) ary ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ( MEDD).

Tonga nanatrika izany ireo solotena isan-tsokajiny avy amin’ireo Ministera telo lehibe. Hoan’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga dia anisany nanatrika izany ny Tale Jeneralin’ny Toekarena Manga, ny DRPEB Vakinankaratra …

Tanjona hatrany ny hanamafisana ny fahalalana mahakasika ny vaovao sy atontan-taratasy manan-danja rehetra ahafahana mamantatra bebe kokoa ny resaka fitantanana sy ny fandrindrana ny sehatry ny « Agriculture » mifandray amin’ireo zava-manana aina rehetra misy eto Madagasikara.