Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Nairobi, Repoblikan’i Kenya

 

Notanterahana ny 06 ka hatramin’ny faha-10 novambra teo ny fihaonana teo amin’ireo firenena afrikanina izay handinihana ny mikasika ny fandotoana amin’ny alalan’ny plastika avy amin’ireo sehatr’asa jono sy ny fitanteranana an-dranomasina ao anatin’ny fampiroborobona any toekarena manga. Ny fanjakana norveziana no mamatsy vola an’ilay tetik’asa Glolitter Partnerships ary ny IMO sy ny FAO no manao tantsoroka ireo firenena voafantina amin’izany tetik’asa izany.

Ny tanjona amin’izany dia ny hifampizarana ireo traikefa sy zava-misy aty amin’ny firenena afrikana ary ny hitadiavanana ny paik’ady iombonana sy famatsiam-bola maharitra amin’ny ady atao amin’izany fandotoana plastika izany.

I Madagasikara🇲🇬 dia isan’ireo firenena efatra (04) mpitarika aty Afrika amin’io tetikasa io. Ny paik’ady hoentina amin’izany dia fifampiresahana sy ny fifanantonana eo amin’ireo mpisehatra rehetra voakasiky ny fampiasana plastika amin’ny sehatr’asa hataony, ka ilay Komity marolafy ho fandrindrana ny toekarena manga sy ny fitantanana ny ranomasina no isan’ny vovonana hiresahana io olana io.

Hamafisina ihany koa ny fampahafantarana ny vahoaka sy ny mpisehatra ny amin’ny loza ateraky ny fandotoana plastika ary ny fametrahana ny fotodrafitr’asa amin’ny fanangonana, fanasokajina ary fikirakirana ireo loto ireo indrindra eny amin’ny seranan-tsambo.

Nisolo-tena an’ I Madagasikara tamin’ity fikaonandoha ity ny avy ao amin’ny Ministera Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB) sy avy ao amin’ny Agence Portuaire Maritime et Fluvial (APMF).