Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Baolong, Alasora ByPass, Antananarivo
Fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasa ara-tsosialy FIA MORA andiany faharoa

 

Taorian’ny fahombiazan’ny drafitrasa ara-tsosialy FIA MORA niarahana tamin’ny Orinasa Sopromer ny volana Aogositra lasa teo dia mitohy hatrany ity hetsika ara-tsosialy ity ka ny Orinasa Somapeche tamin’ny alalan’ny « Poissonnerie Baolong » indray no nandray izany taorian’ny fifanaovan-tsonia niarahana tamin’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.

Notanterahana androany 10 Novambra 2023 ny fanaingana amin’ny fomba ofisialy ny drafitrasa ara-tsosialy FIA MORA andiany faharoa fiaraha-miasa tamin’ny Orinasa Somapeche sy ny « Poissonnerie Baolong » teny Alasota Bypass.
Karaza-trondro « Tout venant » no amidy amin’ny sarany 4000 Ariary/Kg mandritra izao FIA MORA izao raha toa ka jifaina amin’ny vidiny 8000 Ariary/Kg izany ankehitriny. Toeram-pivarotan’ny Orinasa Baolong miisa 02 eto Antananarivo Renivohitra dia ny ao Alasora Bypass sy ny any 67ha no hafahana manjifa izany ka manomboka 1/4Kg na 1000 Ariary dia afaka misitraka izany.

Toy ny teo aloha dia hana-petra ihany ity tolotra ity ka ao anatin’ny 02 volana no hafahana manjifa izany ary trondro maherin’ny 04 Taonina no atolotrin’ny Orinasa Somapeche amin’izany.
Hoferana 2Kg isan’olona ihany koa no anjara afaka jifain’ny tsirairay mba hafahan’ny vahoaka rehetra misitraka izany.
Tanjon’ny Ministera moa ny hampiakatra ny tahan’ny fihinanan’ny Vahoaka Malagasy trondro izay tsapa fa mbola ambany nefa mahasalama sady mitondra otrikaina avo 07 heny manoloana ny fihinana hena izay mbola nohamafisin’ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano nandritra ny fandraisam-pitenenany.

Tonga nanainga tamin’ny fomba ofisialy ity drafitrasa ara-tsosialy FIA MORA ity teny an-toerana ny solontenan’ny Ministera notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Jono sy ny Fampamokarana ny Atirano niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy sy ny solontena avy ao amin’ny Orinasa Somapeche sy ny « Poissonnerie Baolong » ary ny solontenan’ny Ben’ny Tananan’Alasora.
Samy nanamafy moa ireo nandray fitenenana fa fitsinjovana manokana ny Vahoaka izao hetsika izao. Hetsika fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana.
Noho izany indrindra dia mbola miantso ireo orinasa tsy miankina hafa ny Ministera hiara-hisalahy hanohizana hatrany ity drafitrasa ara-tsosialy FIA MORA ity.