Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Faritra Anôsy
Fanaraha-maso ny jono an-dranomasina tsy ara-dalàna

 

Nanatanteraka iraka voalohany asa fanaraha-maso ny jono an-dranomasina tsy ara-dalàna tao amin’ny Faritra Anôsy, ny faha 23 sy ny 24 Oktobra 2023, ny sambo Atsantsa III niandraketan’ny CSP sy ny DRPEB Anôsy mivantana, notohanan’ny avy ao amin’ny « Marine Nationale » ao Anôsy notarihin-dRtoa Commandant.

Tafiditra amin’ny fitsikilovana ny mety hofisian’ny fitrandrahana tangoaraka na « Corail noir » izao iraka izao ka Kaomina manamorona Ranomasina maromaro no nandalovana, tao anatin’izany ny Kaomina Analapatsy, Sarisambo, Tolagnaro, Mandromondromotra ary Mahatalaky.

Tsy nahitana tsy fanarahan-dalàna hatreto ka tao anatin’izany no nanararaotana fitafana mivantana tamin’ny mpanjono teny andriaka sy tamin’ny tanana nolalovana nanaovana fanentanana maro samihafa, isan’izany ny mahakasika ny ICAM, fanaovana karatra maha-mpanjono, sns…

Hatao matetika araka izay azo atao izao fanaraha-maso izao mba hitandroana hatrany ny fitrandrahana maharitra ny harena anaty rano ao amin’ny Faritra Anôsy.