Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Carlton Anosy, Antananarivo
Fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny Tetiandrom-pamokarana trondro sy Tetiandrom-pambolena

 

Notanterahana anio faha 20 Oktobra 2023 tao amin’ny Hôtel Carlton Anosy, Antananarivo, ny fampahafantarana ny vinavinan’ny toetrandro 2023-2024 niarahana tamin’ny Ministera misahana ny toetrandro nanehoana ireo vinavina mahakasika ny hafanana, ny rotsakorana amin’ireo vanim-potoana voalaza ireo.

Hetsika tafiditra amin’ny fihaonamben’ireo seham-pihariana izay miankina amin’ny fiovaovan’ny toetrandro.
Nandray anjara tamin’ity fihaonana ity ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga tamin’ny alalan’ny Atoa Sekretera Jeneraly sy ny Talen’ny Fampamokarana ny atirano.

Nisy noho izany ny fampahafantarana ny fisian’ny Tetiandrom-pamokarana trondro, ny fifandraisan’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fikatonan’ny jono an-dranomamy sy an-dranomasina, ny ICAM, ny Hotline VIAMO amin’ny alalan’ny fiantsoana ny 3,2,1 sy ny Airtel 0334480026, ny fampahafantarana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Fitaleavana ankapobeny misahana ny Toetrandro sy ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.

Marihana moa fa nitondra ireo famelabelarana ireo ny Talen’ny Fampamokarana ny atirano eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.
Hetsika tafiditra amin’ilay NCOF na  » National Climate Otlook Forum ».