Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Carlton Anosy, Antananarivo
« Forum des partenaires et investisseurs en faveur de l’Economie Bleue »

 

Efa nanomboka tamin’ny taona 2015 no niezaka isika eto Madagasikara nametraka ny paikady nasionaly ny amin’ny handrindrana sy hampivoarana ary hampivelarana ny sehatry ny Toekarena Manga. Ankehitriny dia manana tombony isika satria tomombana avokoa ary efa vonona ny antotan-kevitra sy atontan-taratasy hoan’ny fampivoarana ny Toekarena Manga eto Madagasikara izay nandraisan’ny rehetra voakasika anjara tamin’ny famolavolana izany nahitana ireo solotenan’ireo Ministera isan-tsokajiny, mpandraharaha, mpampiasa vola, ireo mpiara-miombona antoka, fiarahamonim-pirenena ary ireo mpisehatra eny ifotony.
Betsaka ny sehatra voakasika ao anatin’izany toy ny jono sy fihariana anaty rano, ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy, ny fizahantany sy ny angovo havaozina mifandraika amin’ny rano, ny harena an-kibon’ny tany fa indrindra ny lafiny ara-tontolo iainana mba hafahantsika mametraka tsara izany antsoina oe Toekarena Manga maharitra eto Madagasikara.

Amin’izao fotoana izao dia anjarantsika no samy miezaka manao ny hafahantsika hanatanterahana izany amin’ny faritra rehetra misy antsika. Izany indrindra no mahatonga ny Governoran’ny Faritra Atsinanana misolotena ireo Governora manerana ny faritra manatrika izao fihaonana izao satria izany no miandry antsika manaraka ny amin’ny hafahana mametraka izany amin’ny Faritra rehetra eto Madagasikara arakaraka ny zava-misy any amin’ny toerana rehetra eto amin’ny Nosy.

Tsara ny mampahafantatra fa efa nivoaka ihany koa ny drafitra hafahana manatanteraka ny fampiasam-bola rehetra ao anatin’izany Toekarena Manga izany. Eto dia miantso ireo mpampiasa vola rehetra indrindra ny eto Madagasikara sy ireo avy any ivelany mba ho tonga eto Madagasikara fa malalaka ny sehatra.

Notanterahana tao amin’ny Carlton Anosy androany 19 Oktobra 2023 ny « Forum des partenaires et investisseurs en faveur de l’Economie Bleue » izay haharitra roa andro.
Tonga nanatrika sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany Atoa Ministran’ny Jono sy ny Toekarena Manga Paubert MAHATANTE notronin’ny solotenan’ny Banky Afrikanina hoan’ny Fampandrosoana (BAD) sy ny Governoran’ny Faritra Atsinanana ary ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny Ministera isan-tsokajiny voakasika.
Marihana moa fa ny tetikasa ARCEB vatsian’ny BAD vola no anisan’ny tena nanao tantsoroka tamin’ny famolavolana izao paikady hafahana mampivelatra sy mampivoatra ny Toekarena Manga hoantsika eto Madagasikara izao.