Contact : +261 34 05 415 47 | Nous suivre :

Andavadoake, Kaominina Ambanivohitra Befandefa, Distrikan’ny Morombe
Fitsidihana ny biraon’ny Blue Ventures

 

Ny taona 2003 no tonga teto Andavadoake ny mpanorina ity Fikambanana tsy miankina miaro ny tontolo an-dranomasina ity. Miara-miasa akaiky amin’ny Fokonolona izy ireo ary nanampy amin’ny fametrahana ny Fikambanana Velondriake. Ity farany no nanao ny Faritra tahiry voalohany teto Madagasikara mahakasika ny horita ary nisandrahaka manerana ny Nosy avy eo, eny na hatrany am-pitan-dranomasina aza.

Faly ny rehetra ary isan’ny nampiavaka ny Fihaonana ny fifankahitana indray mandeha teo amin’Atoa Ministry ny Jono sy Toekarena Manga Paubert Mahatante sy Atoa SAMBA Roger, Filoha Mpanorina ny Fikambanana Velondriake no sady angady nananana sy vy nahitana ny Vatsim-pianarana Samba Roger et J. Paul Getty ny taona 2011 ka anisan’ny nahazo tombotsoa tamin’izany ny Minisitra ankehitriny.

Nanome ireo toromarika rehetra ny Minisitra amin’ny hanatsarana hatrany ny fitantanana ny harena an-dranomasina ary hahitan’ny rehetra tombotsoa. Ilaina ny fanamafisana hatrany ny fifandraisana ary ny fifanakalozana atontan-kevitra.